Ho fantatra mandritra ny fihaonamben’ny filoham-panjakana ao Dar Es Salaam-Tanzanie, ny fifanarahana momba ny angovo nasionaly apetraky ny filoham-pirenena ho an’i Madagasikara.
Anisan’ireo firenena hanolotra ny fifanarahana momba ny angovo nasionaly (Pacte nationale pour l’énergie), izay hamaritra ireo tanjona momba ny angovo mila tratrarin’ny firenena tsirairay, mandritra ny fihaonamben’ny filoham-panjakana atao any Dar Es Salaam-Tanzanie, i Madagasikara amin’ny alalan’ny filoham-pirenena. Hisy, araka izany, ny fe-potoana hanatanterahana ny fanavaozana entina. Noho izany, iray amin’ireo vokatra lehibe andrasana amin’ity fihaonana an-tampony ity ny « fifanarahana momba ny angovo nasionaly » sy ny fifanarahana Afrikanina ho an’ny angovo (Pacte Africain pour l’énergie). Kendrena ao anatin’izao fihaonana izao ny hanomezana herinaratra ho an’olona 300 tapitrisa aty Afrika hatramin’ny taona 2030.
Fiaraha-miasa
Fanamafisana ny fiaraha-miasa efa misy, izany hoe, fampivoarana ireo zava-bita nandritra ny fandaharanasa « Programme Pilote pour la Résilience Climatique » (PPCR) sy ny « Scaling Up Renewabel Energy Program in Low Income Country » (SREP). Fandinihina ny mety ho fiaraha-miasa vaovao eo amban’ny Drafitra « Mission 300 » sy ny fandaharanasa vaovao ataon’ny Climate Investment Funds (CIF). Fampihenana tsikelikely ny fampiasana hazo sy arina fandrehitra. Izany hoe, ho latsaky ny 50 % ny fampiasana izany amin’ny ho avy raha toa ka 95% amin’izao fotoana. Ireo no voaresaka nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantananam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, sy ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean-Baptiste Olivier, omaly, nandritra ny fihaonany tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny CIF tany Dar es Salam, Tanzanie.
Natomboka tamin’ny « journéé ministérielle et partenariats » ny hetsika, omaly. Nodinihina manokana ny fitondrana avo ny fandaharam-potoanan’ny angovon’Afrika amin’ny ambaratonga ambony. Voaresaka ihany koa ny politika fanavaozana hanovana ny angovo eto Afrika ary ireo anjara asan’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena amin’ny fanafainganana ny fiovan’ny angovo.
Henintsoa Hani