Nanampy fanazavana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Andonirina Max Fontaine, omaly, mahakasika ny nandravana ny trafika sokatra iray teto amintsika. Fantatra fa tambajotra hafa mihitsy no iarahan’ilay solombavambahoaka nahatrarana sokatra miisa 112, ny 26 desambra 2024 teny Ambohibao.
Raha ilay tambajotra rava ny faran’ny herinandro teo, kosa, miisa 19 ny olona nampidirina vonjimaika any am-ponja, ka any Tsiafahy ny lehilahy miisa 13 raha nalefa eny Antanimora ny vehivavy miisa 6. Voasaringotra ao anatin’ilay trafika sokatra miisa 800 tratra tany amina teratany tanzanianina tany Mahajanga izy ireo. Niainga tany Mahajanga, nitohy tany Morondava Menabe, Androy ary taty Antananarivo ny fanadihadiana nataon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, ny polisim-pirenena ary ny zandarimaria, no namantarana ny tambajotra ary nahatrarana ireo olona ireo. Efa tratra koa ny teratany sinoa anankiroa mandray ny sokatra atsy Tanzania, manaparitaka azy any Azia.
Njaka A.