Nanao vonjitaitra vaky namonjena ny fahavakisan’ny fefiloha eny Malaza Ampitatafika, ny fanjakana, omaly. Miisa 2 000 ny gony misy fasika entina hanarenana ny fefiloha. Teo koa ny fanomezana masomboly miisa 480 fonosana sy zezika manodidina ny 6 taonina, ity farany izay ho tonga eny an-toerana afaka efatra andro. Nentanina koa ny federasiona sy ny fikambanan’ny mpampiasa rano, mba hanala ny fasika amin’ny lakandrano.
Manohana ara-bola ny fikajiana ny hazo baobaba any amin’ny Menabe ny Tahirimbola misahana ny faritra arovana (FAPBM). Voakasik’izany manokana ny « Allée des Baobabs » any Morondava, ny any Kirindy, Mitea ary Menabe Antimena. Toerana mirefy 381 000 ha ka ala ny 190 000 ha. Ahitana baobab, hazo misy tsilo ary faritra mando tafiditra ao anatin’ny sokajy Ramsar.