Depiote Rakotoniaina Pety : “Tsy vahaolana ny fidinana an-dalambe”

Nitondra ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny depiote Rakotoniaina Pety. Anisan’izany ny nitsikerany ny eo anivon’ny fanoherana.

“Tsy afa-kijery fotsiny hoe sahirana isika izao dia mitondra ami­na vahaolana hoe andao hidina an-dalambe, ohatra, na andao alaina ny fitondrana. Tsy vahaolana amin’izay ilaina izao izany sady tsy vahaolana maharitra”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikala­mavony, Matsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, manoloana ny fikasan’ny mpanohitra sasany hidina an-dalambe. Efa misy, ohatra, ny fotodrafitrasa na jiro na rano, fa ny fahapotehan’ny tontolo iainana no olana voalohany sy lehibe. Na iza na iza eo amin’ny fitondrana, tsy afa-miala amin’izay. Olana lehibe izay amin’ny fambolena koa. Tsy mahavaha an’izay ny fidinana an-dalambe sy ny fanakorontanana, fa vao mainka mampilentika sy mampitombo ny fahasahiranana.
Amin’ny toy izao, tsy voatarika amin’ny zavatra maharitra ny olona. Tapaka ny jiro sy ny rano dia aleo midina an-dalambe sy alaina ny fitondrana. Manamarina ny tantara fa tsy mamaha inona izay, fa vao mainka mampitombo ny fahasahiranana. Ny vahaolana dia hoe: mila fitoniana ny firenena, mila fitohizana asa. Tsy maintsy misy fandaminana ny amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Anisan’ny lehibe amin’izany ny fambolen-kazo. Tsy mahavaha ny olana androany izay, nefa tsy maintsy atao. Mila ampiana ny fototodrafitrasa, mila manao foibe famokarana herinaratra avy amin’ny rano, mila manana fakana rano fisotro… Tsy olana ny maneho hevitra sy mitondra soso-kevitra, fa fanapotehana firenena ny hoe vahaolana ny fidinana an-dalambe. Efa nitondra talohan’izao fitondrana izao ireo miteny. Raha nanana vina ireo olona nitondra taloha ireo, mety mba moramora izao olana izao. Misy andraikitr’ireo izao toe-javatra izao.

R. Nd.

Partager sur: