Nifampizara traikefa sy nifanakalo hevitra teny Tsimbazaza, afakomaly, ny filoha mpisolo toerana eo anivon’ny Antenimierampirenena, Soafilira Princia sy ny filohan’ny Parlemanta Panafrikana teo aloha, Ndoko Dang, niaraka amin’ny eo anivon’ny parlemantera, Aboung Albino. Voaresaka ny fampivondronanana ho aminy fampandrosoana an’i Afrika.
Miditra an-tsehatra amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana ny mpitandro filaminana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Rakotoarimamana Herilala, tany Genève, omaly. Eo ny fakana an-keriny, ny fanafihana sy fihantsiana mpitandro filaminana; fandoroana tanàna. Hadihadiana momba ny zon’olombelona any an-toerana ny delegasionina Malagasy.
Mahay sy mahafehy ny haitarika ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, araka ny nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin, afakomaly, tetsy Anosy. “Sahy sy mahery fo amin’ny andraikitra”, hoy izy raha nirarisoa noho ny taona vaovao ity filohan’ny Andrimpanjakana ity.
Nandray ny toerany maha ben’ny Tanàna azy indray eny Ambohidrapeto, Andriatsilavo Mihary. Nambarany fa vary sy rano ny vahoaka na teo aza ireo tsy nifidy azy tamin’ny fifidianana farany teo. ” Efa nahavita isika na kely aza. Mbola betsaka ny miandry ka hiezaka isika ary hanoka-baravarana amin’ny hafa”, hoy izy.