26 taona lasa no nisy fivoahana pharmaciens inspecteurs nahazo fiofanana farany teto Madagasikara. Ireo mbola am-perinasa kosa, efa lasa nisotro ronono avokoa, ny taona 2020.
“Tao anatin’ny efatra taona farany, tsy nanana pharmaciens inspecteurs intsony ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ka natao laharam-pahamehana ho an’ny minisitera ny fanofanana”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely Arivelo, teny Anosy, omaly. Nanao fianianana izy 20 mianadahy nivoaka ho pharmaciens inspecteurs izay officiers de police judiciaire avokoa ary handray ny asany avy hatrany. Mampanara-dalàna ny tontolon’ny fivarotana fanafody eto Madagasikara no andraikitra voalohany sahanin’izy ireo ary tafiditra amin’ny sata mifehy ny fahasalamana ny pharmaciens inspecteurs.
Manana ny fahaiza-manao amin’ny fanaraha-maso ny tsy fanarahan-danàna rehetra sy mitondra ny raharaha eny anivon‘ny fitsarana izy ireo. Antoka amin’ny fampanarahan-dalàna sy ny kalitaon’ny fanafody omena ny marary ny fisian’ireto teknisianina ireto. Raha ratsy ny kalitaon’ny fanafody tonga eny am-pelatanan’ny marary, mety hitarika amin’ny fahafatesana mihitsy na koa tsy mahasitrana azy, araka ny fanazavan’ny minisitra ihany.
Efa fantatry ny minisitera avokoa ny sokajin’ireo tsy fanarahan-dalàna misy momba ny fivarotam-panafody fa tsy mbola afaka niasa noho ny tsy fisian’ny pharmaciens inspecteurs.
Nosinganiny amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny fanaovana dokambarotra sy fivarotana fanafody amin’ny tambajotra sosialy izay mahazo vahana amin’izao fotoana izao.
Nampitandrina ny minisitra fa hiasa avy hatrany ny olona vita fianianana ary afaka manakatona ny toeram-pivarotam-panafody avy hatrany sy mitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana. Entanina ireo maniry ny hanokatra toeram-pivarotana fanafody na efa manana fa tsy manaraka ny fenitra mba hiditra amin’ny ara-dalàna.
Vonjy