Mivoatra hatrany ny dingana ataon’ny Base, nanomboka ny nanokafana azy ny novambra 2024, mandra-pahatonga ny fiandohan’ny taona 2026, hananganana ny fotodrafitrasa. Anjaran’ny kaominina Maromiandra, distrika Toliara II, indray no nampahafantarana izany, ny 21 janoary 2025 teo. Miandrandra fampandrosoana ny mponina, satria efa nisitraka tohana sosialy tamin’ny orinasa, toy ny fanadiovana ny lakandrano manondraka lemaka, saingy niantraika mafy tamin’ny fambolena ny fihantonan’ny tetikasa.
Nilaza ny talen’ny fifandraisana ivelany, Mahafaritsy Samuel, fa hotohizana ny asa rehetra efa natao, toy ny fanadihadiana ara-tontolo iainana, ny fanonerana ara-bola ny tompon-tany, ohatra, ato anatin’ny 14 volana. Nisaoran-dRtoa Clarisse, mponina any Mitsinjo Mahazoarivo, ny Base amin’ny fanorenana sekoly, ny fiangonana sy ny hafa. Notsipihin’ny governora Atsimo Andrefana, Tovondrainy Edally, fa tsy nitsahatra nanohana ny tetikasa ny tenany nandritra ny fifampidinihina natao rehetra. « Nangatahako ny filoham-pirenena foana ny hanokafana ny tetikasa amin’ny maha masikoro ny tenako, satria fantako ny mampahory ny mponina aty ifotony », hoy izy.
Nilaza ny lefitry ny ben’ny Tanàna, fa « ny tany Maromiandra irery no tsy nanohitra ny Base tao anatin’ireo kaominina miisa 5 voakasiky ny tetikasa. Koa, aleo hiasa malalaka ity orinasa ity, satria hitondra fampandrosoana ». Nisy omby roa natao sorona, ho tsodrano.
Njaka A.