Mitohy ny fikaonandoha : Hampodiana ireo vakoka afrikanina

Haverina amin’ireo firenena afrikanina izay niaviany ireo harembakoka miranty any amin’ireo tranombakoka manerana izao tontolo izao. Fanapahan-kevitra anisan’ny lehibe indrindra noraisina teo anivon’ny Unesco io, mahakasika ny vakoka sy ny kolontsaina. Dingana maro sady lava anefa ny hahatongavana amin’izany, ka ao anatin’izay ny Fikaonandoham-paritra izay tontosaina any Addis-Abeba, any Ethiopie, nanomboka omaly ary hitohy anio. Firenena afrikanina maro no manana solontena mandray anajra amin’izany, ka izy ireo no hanapaka ny endriky ny fiaraha-miasa hahatongavana amin’ny tanjona, dia ny fampodiana isaky ny firenena niaviany avy, ireo vakoka avy aty Afrika miranty maneran-tany.
Misolo tena an’i Madagasikara any Addis Abeba, Randriamanantena Elie, talen’ny Ofisin’ny vohitr’Ambohi­manga. Anisan’ireo firenena efa lasa lavitra tamin’ny fangatahana fampodiana ireo harembakoka miparitaka any ivelany any i Madagasikara. Nanomboka izany ny tataon’ny seza fiandrianan’ny mpanjakavavy, izay efa tafody. Andalam-pamaranana ihany koa ny fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, sy ny an’ireo miaramilany roa.

Zo ny Aina

Partager sur: