Vita sonia, omaly, ny fanambaran’i Dar es Salam sy ny fifanarahana nasionaly amin’ny angovo eto Madagasikara (Pacte National Energétique de Madagascar). Tondrozotra mamaritra ireo tanjona ho an’ny angovo sy ny tetiandro hanatanterahana ny tetikasa.
Porofo izao fa vonona hanamafy ny fiara-miasa sy hanapariaka ny angovo ho an’ny rehetra ny fitondram-panjakana. Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ity fifanaovan-tsoniam-mpiaraha-miasa ity. Hampitombo ny tahan’ny fisitrahana herinaratra hatramin’ny 80% hatramin’ny 2030 raha toa ka 36 % izany ankehitriny. Mizara telo ihany koa ny famatsiam-bola ireo tetikasa. Avy amin’ny sehatra tsy miankina ny 60%, avy amin’ny fanjakana ny 10% ary ny 30% avy amin’ny findramam-bola ataon’ny fanjakana. Taratra sahady amin’ny firoboroboan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina izao fiaraha-miasa izao. «Fototry ny fampandrosoan’ny toekarena sy ny ara-tsosialy ny angovo… », hoy ny filoha Rajoelina Andry. Kendrena ny hanovana ny fiainan’ny olom-pirenena hanomezana azy ireo ny soa fanararaotra sy fanamby tsara kokoa, araka ny nambarany hatrany.
Angovo azo havaozina
Nanolotra paikady lehibe ny filoham-pirenena amin’ny hametrahana toby mamokatra herinaratra hatramin’ny 1 000 MW avy amin’ny masoandro sy ny rano ao anatin’ny efa-taona. Anatin’izany, fampiasam-bola avy amin’ny sehatra tsy miankina no ahazoana ny 750 MW ary famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana ny ahazoana ny 250 MW. Etsy ankilany, mikendry ny hametraka tohodrano mamokatra herinaratra fanampiny 380 MW ho an’ny tambajotra nasionaly ny fanjakana anatin’ny dimy taona.
Ankilany, voaresaka nandritra ny fifanakalozan-kevitry ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry sy ny tale jeneraly lefitry ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), Bo Li ireo lokanadin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny angovo ary ny toekarena eo amin’ny fampandrosoana lovainjafy. Naneho ny fahavononany amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina ny filoha ialana tsikelikely amin’ny fiankinandoha amin’ny fampiasana ny solika.
Henintsoa Hani