TARATRY ny KANTO

Faha-10 taonan’ny Festival Striratry”, antsoina ireo mpanakanto te handray anjara. Fotoan-dehibe ho an’ny zavakanto an-tanàn-dehibe ao Antsiranana izy ity, izay hiditra amin’ny andiany faha-10. Antsoina, araka izany, ireo mpanakanto sy mpanan-talenta mba hanatitra ny taratasy fisoratana anarana any amin’ny Alliance Française Antsiranana. Mety foana na mpanao hosodoko, mpaka sary, mpanao sokitra, mpandihy, sns, rehefa mety hoe kanto ankehitriny.
Mety ho azo averina? Nanana kianja voatafo ny hiragasy fahiny. Nanana ny lazany ny tetsy Besarety. Efa am-polo taona maro no tsy niasa izy io. Na tsy ho ao intsony aza, efa tokony hiroso amin’ny dingana manaraka ireo rehetra mahatsiaro fa vakoka sarobidy ny hiragasy. Kianja mitafo lehibe hanaovana adin-kiragasy isaky ny faritra? Mbola voatazona ve, anefa, ny maha izy ny hiragasy raha any anaty trano no hanehoana azy?
Anisan’ny manamora ny fahaiza-mihaino mozika ny fahazarana manavaka ireo zavamaneno ampiasaina ao anatina hira iray. Tsy azo lavina io, saingy, maro amin’ny Malagasy fahiny no nahay nihaino hira, kanefa, “piano” ihany ny zavamaneno manaraka ny mpihira. Noho izany, misy fomba hafa hoenti-mametraka miandalana ny fahaiza-mihaino mozika nampiasain’ny Malagasy. Mila trandrahina sa mijanona ho tsiambaratelo?
Samy manana ny mampiavaka azy ny zavakanto sy kolontsaina manerana an’i Madagasikara. Matetika, tsy voatazona na tsy voatahiry izy ireny noho ny antony maro. Iray amin’ireny ny fampivadiana ny fahiny amin’ny kantom-bahiny. Raha hain’ny Malagasy ny mampiasa sy manararaotra ny teknolojia misy ankehitriny, tokony hivelatra be ny zavakanto fototra ananan’ny Malagasy. Ilay mbola tsy misy fangarony no alaina sary, soratana sorapeo (naoty), raiketina anaty tantara, sns.

Partager sur: