TSELATRA

Miaramila iray naratra mafy tra-doza teny amin’ny RN4 tao Andakana, kaominina Anosiala, omaly. Nentin’ny tsara sitrapo teny anivon’ny sampana vonjy aina ao amin’ ny CHU Anosiala izy manaraka fitsaboana. Naratra mafy ny faritry ny vavany sy ny lohany.
Nidoboka am-ponja omaly, ilay raibe nanolana an-jafikeliny tao amin’ny distrikan’i Fandriana. Nanamparany ny filan-dratsiny nandritra ny efatra taona nifanesy io zafiny io. Niakatra fampanoavana ny raharaha rehefa tratra ilay lahiantitra nahavanon-doza. 73 taona ity farany.
Namoy ny ainy, omaly maraina, ny lehilahy iray naterin’ny olon-tsotra teo anivon’ny CHD Antanifotsy. Tsy nahatsiaro tena izy tamin’ny fotoana nahitan’ny fokonolona azy ny alatsinainy 27 janoary teo. Nanao izay ho afany nameranana ny ainy ny mpitsabo saingy tsy tana izany.
Vehivavy sy lehilahy telo izay samy mpamaky trano nosamborin’ny polisim-pirenena teny amin’ny tsena Tsiafahy Isotry, omaly. Ahina ho tompon’antoka tamin’ny vaky trano teny Sabotsy Namehana, ny 26 janoary teo ny roa lahy. Olona roa hafa tratra teny Ambanidia nitondra akoho amam-borona halatra, afakomaly, vao mangirandratsy.

Partager sur: