Tsy ao intsony ny aingam-panahy ? Nanjary fototry ny zavakanto ny teknolojia

Nandroso haingana be ny teknolojia. Saika tratrany avokoa ny sehatra maro. Anisan’izany ny zavakanto. Maro sy goavana ny fiantraikan’izany amin’izao vanim-potoana izao.

Tamin’ny andron-dry Edith Piaf, zavamaneno « piano » iray dia nahafahana namoaka zavakanto nampihaiky izao tontolo izao. Valiha sy amponga no nentin’ ny tarika Razafimahefa Feno­arivo nisintonana ny vahiny. Babo tanteraka. Tahaka izany koa ny tarika Trio Ny Antsaly nahitana an-dRandafison mi­ra­halahy sy i Bernard Raza­findrakoto.
… Ankehitriny, avoaka na amboarina amina fitaovana raitra ny zavakanto. Sary sokitra, mofomamy, samy vitaina amin’ny « imprimante ». Ny hira, amboarina amina ordinatera ny feo. Tahaka izany koa ny hosodoko. Ordinatera no hampanaovina azy manontolo na hanitsiana izay heverina fa tsy mety, sns.
Nanjary fototry ny zavakanto ny teknolojia. Hampan­dalovina aminy manontolo na amin’ny ampahany ny zavakanto iray mba hahatsara azy na hahakanto azy. Niova ny fomba fijery, satria, niampy iray ny fototra. Rehefa vita amin’ny teknolojia, kanto avokoa.

Nifamadika ny rasa

Ifandrombahan’ny vahiny ny asa tanana vita eto Ma­dagasikara. Anisan’ireny, ohatra, ny fiarakely kilalao namboarina tanana, tefena ao Imerintsiatosika. Antony iray mahatonga io fifamadihan’ny rasa io ny fahitana aingam-panahy ao anatin’ny seho endrik’ilay fiarakely vita tanana. Lasa any amin’ny vahiny ny fahafantarana ny fisian’ny aingam-panahy ao anatina zavakanto ? Manomboka tsy fantatry ny Malagasy intsony ny satroka vita amin’ny ahibano, satria, variana mifandrombaka kasikety misy sarina mpihira vahiny ny tanora malagasy.
Raha izao no mitohy, tsy hanana aingam-panahy hoenti-mamorona intsony ny Malagasy fa hiantehitra amina teknolojia. Hosandain’ny vahiny mora dia mora, avy eo, ireo hany sisa ahitana aingam-panahim-pamoronana !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: