Antoko Leader Fanilo: “Vonona ho amin’ny fampivondronan-kery izahay”

Nanao fanambarana ny antoko Leader Fanilo. Nilaza ny fahavononany amin’ny hetsika izay nolazainy ho amin’ny rariny sy hitsiny ny mpikambana ao aminy.

“Mihaino ary vonona hisalahy amin’ny hetsika fampivondronana ny hery velona mitodika any amin’ny fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny izahay”, hoy izy ireo. Vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny ainga mitarika mankany amin’ ny soa itambarana, hisitrahan’ny faritra rehetra sy ny vahoaka manontolo tsivakivolo koa izy ireo, araka ny fanambarana. Notsiahivin’ny Leader Fanilo fa mitohy hatrany ny sedra atrehin’ny valalabemandry : vidim-piainana, jiro, rano, tsy fahandriampahalemana, fahalovana, tsy fahampiana ara-tsakafo. “Mipaka amin’ny maha olona tsizarizary ny fampianarana, ny fanjarianasa sy ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny izany”, hoy ny fanambarana. Voatsiahy fa lafo vidy sy tsy araka ny saran’ny fitsaboana sy ny fikoloana ny fahasalamana, zo fototra. Mitohy ny vono olona tsy misy fitsarana. Very fanahy mbola velona ny mpiara-monina. “Tombanan’ny olona ho zary lalaovin’ny vola sy ny voninahitra ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana ianteherana ampanjaka ny rariny sy ny hitsiny”, hoy ny Leader Fanilo.

Voatsikera
Notsikerain’ny antoko ny fifidianana nifanesy. Ahin’ny vahoaka ho mitsikombakomba hatramin’ireo Andrimpanjakana sy ireo vaomieram-pirenena izany, araka ny fanambarana hatrany. “Tsy mangarahara ny fahaleovantena sy ny fanajana ny sata mifehy azy tsirairay. Tonga hatrany amin’ny tomponandraikitra sasantsasany ao amin’ny foloalindahy sy ny mpitandro filaminana izany ahiahy izany”, hoy izy ireo.
Etsy andaniny, miteny an’efitra sy tsy to teny ireo liam-pahendrena, resy ny olon-kendry sy ny olo-marina, araka ny fanambarana.

Synèse R.

Partager sur: