« Caisse école » : Mangarahara ny fitantanana, tonga ara-potoana ny vola

Efatra taona lasa, tsy nisy ny fangaraharana ny fitantanana ny “caisse école”. Tohana omenan’ny fanjakana ny sekoly ary kirakirain’ny Feffi izany. Tara lava rahateo ny fahatongavany eny anivon’ny sekoly. Efa nihatsara ny zava-misy ho an’ity taom-pianarana ity. Tonga ara-potoana ny vola sady mangarahara ny fitantanana azy.

Nitombo ny tahan’ny fangaraharan’ny fitantanana eny anivon’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana. 98% amin’ireo birao maharitry ny Farimbon’ezaka ho fahombiazan’ny fanabeazana eny ifotony (Feffi) no voasokajy fa nampihatra ny fitantanana man­garahara. Mahafantatra ny fandaniana avokoa ireo mpikambana rehetra ao aminy. Ny 97%-n’ny Feffi no nampiditra ny vondrom-piarahamonin’ny fanabeazana tamin’ ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fitantanana anatiny. Nisongadina ireo vokatra ireo taorian’ny fanaraha-maso fahefatra momba ny fangaraharana sy ny fampiharana ny tamberin’andraikitra. Eo koa ny kalitaon’ny tolotra fanabeazana ao anatin’ny tetikasa Score II. Notanterahina teo anelanelan’ny volana jolay ka hatramin’ny desambra 2024 ny fanaraha-maso teny anivon’ny sekoly 464, nahitana CEG sy EPP anatin’ny kaominina 99.

Tsy mbola ampy ny tetibola
« Tsy mbola ampy ny tetibola (caisse école) omena ny sekoly hampihodinana ny asa fampianarana. Efa niezaka ny fanjakana tsy ho tara io sora-bola io fa azo ao anatin’ny taom-pianarana ary tantanin’ny Feffi », hoy ny lehiben’ny tetikasa Score sady tale mpanatanteraka ny MSIS Tatao, Andriamoraniaina Harijaona, omaly, teny Andrainarivo. Tao anatin’ny dimy taona farany, tara telo volana hatramin’ny herintaona ny fahatongavan’ny vola any amin’ireo sekoly mpisitraka. Miteraka tsy fahafahana mamaly ny filan’ny mpianatra momba ny fitaovana fampianarana ( boky, kojakoja enti-mampianatra) izany ka mampitombo ny vesatra ara-bola ho an’ny ray aman-dreny.
Ankoatra ny vola, rafitra eny ifotony misahana ny fitaovana sy ny olona koa ny Feffi. Fanamby ny fampisitrahana fitaovana ampy ny mpianatra toy ny seza sy latabatra ary ny efitra fianarana. Olana ireo ho an’ny faritra Anosy sy Androy ary Menabe satria mbola mianatra eny ankalamanjana ny ankamaroan’ny ankizy.

Vonjy

Partager sur: