Notanterahina afakomaly, tao Andramasina ny fihaonana voalohany eo amin’ireo ben’ny Tanàna vao voafidy, miisa 14 sy ny eo anivon’ny distrika, notronin’ireo solontenam-panjakana any an-toerana. Nifantohan’ny fihaonana ny fanomezana toromarika sy ny torolalana samihafa mialoha ny handraisan’ireto olom-boafidy ireto ny andraikiny. Anisan’izany ny momba ny famindram-pitantanana mba ho ao anatin’ny firahalahiana tanteraka sy ho amin-kitsipo sy fitiavan-tanindrazana. Voatsiahy tamin’izany koa ny andraikitry ny ben’ny Tanàna sy ny tsy tokony hitsabahany amin’ny asa na andraikitra hafa, tsy tandrify ny fahefana ananany.
Nisaorana tamin’izany koa ny rantsan’ny Ceni, Ced any amin’ny distrikan’Andramasina fa tsy nahitana olana ny fanomanana sy ny fikarakarany ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina teo iny.
Samy nitondra sy nampahafantatra ny asan’ireo sampandraharaha eo anivon’ny distrika kosa ireo solontenam-panjakana miasa eo an-toerana.
Synèse R.