Polisim-pirenena miisa 10 sy zandary miisa 10 no miatrika fiofanana momba ny « renseignement Opérationnel» mandritra ny dimy andro eny amin’ny sampandraharaha misahana ny fikarohana sy fiofanana mitohy eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka na DRFC Antanimora. Nanomboka ny 27 janoary 2025 ny fiofanana narahin’ireo mpiofana. Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny masoivohon’i Frantsa no nahafahana nanatanteraka izao fampiofanana izao. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ity fiofanana ity teny amin’ny DRFC Antanimora, ny talen’ny fikarohana sy ny fiofanana mitohy eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Commissaire divisionnaire de police, Rasoamananjara Pierrette Marie Françoise ary ny talen’ireo sampandraharaha momba ny angom-baovao, ny Commissaire divisionnaire de police Ranjatoarisoa Andriamiadana Mamitiana.
Jean Claude