Amin’ny ankapobeny, nihemotra ny fananana ilay fanahy maha olona ao amin’ny Malagasy. Tsy ilaina mari-pandrefesana na tarehimarika avoakan’ny vahiny, hoenti-manamarina izany. Tsy hain-dry zareo rahateo ny fonosin’io fahendrena malagasy io. Anisan’ny antony lehibe niteraka io fihemorana io ny nataon’ny ray aman-dreny niteraka. Miamboho adidy manoloana ny fanabeazana ny zanany izy ireo.
Mbola vao tsy misara-nono, efa ankinina amin’ny mpitaiza any amin’ny « crèche » na irony akany fitaizana zaza irony, satria, miasa i « papa » sy i « maman ». Tsy hitovy velively ny fiantraikan’ny fanabeazana omen’ny mpitaiza sy ny avy any amin’ny ray sy reny niteraka mankany amin’ny zaza. Miamboho adidy ny ray aman-dreny.
Mitombo ho ankizy ny zaza. Manahirana ny maka sy manatitra azy any an-tsekoly, satria, miasa i « papa » sy i « maman ». Aleo hajanona amin’ny namany sy ny « maîtresse » any an-tsekoly, rehefa atoandro. Any no misakafo, miresaka, milalao, sns, miandry ny fidirana ny hariva. Rehefa eo amin’ny fahatanorany. Hoy ireo ray aman-dreny niteraka : « rivotra hoentin’ny fandrosoana ny fomba fiteny amboamboarina. Ny pataloa aborotsaka… Ka aleo izy hanao izany sao lazain’ny namany ho tsy maharaka ». Dia tsy miteny tokoa. Miamboho adidy !
HaRy Razafindrakoto