Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny fandaharanasa Loharano II, ho an’ny taona 2025. Notanterahina tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE) izany ka namariparitana ny tetikasa manaraka, ho amin’ny filatsahana an-tsitrapo eo anivon’ny Loharano II. Nampahafantarina tamin’izany fa ho avy ireo tanora, teratany malagasy avy any ivelany, Diaspora, miisa 15 mianadahy. “Hiparitaka any amin’ny faritra mandritra ny efa-bolana izy ireo ary hanohana sy hanampy ny eny ifotony”, hoy ny tomponandraikitra. Nivoitra tamin’izany fa manome fahafahana ho an’ny tanora malagasy am-pielezana handray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara izany fandaharanasa izany. Natao hizaran’izy ireo ny fahaiza-manaony ho an’ireo mpiray tanindrazana eny ifotony.
Etsy andaniny, maneho ny finiavana hanamafy ny fifandraisana eo amin’ny Malagasy am-pielezana sy i Madagasikara izany ary ny fandraisana anjara lehibe ho tanterahin’izy ireo amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Tsiahivina fa fandaharanasa tanterahin’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fifindra-monina (OIM) anatin’ny tetikasa, Tantsoroka ho an’ny diaspora (Tady) izao. Manohana ara-bola kosa ny avy amin’ny fiaraha-miasa Frantsay, AFD amin’ny alalan’ny famatsiam-bola, 745 000 euros. Mpiara-miasa kosa ny avy amin’ny “Expertise France” sy ny Ivontoeram-pikarohana ho an’ny fampandrosoana “Institut de recherche pour le développement – IRD”.
Synèse R.