Eny amin’ny CEG, 36% ny tahan’ny mpianatra tsy niverina an-tsekoly intsony manomboka eo amin’ny T6 ka hatramin’ny T9, araka ny fanadihadiana nataon’ny taona 2024 teny anivon’ny sekoly 464 anatin’ny tetikasa Score. Mahatratra 92 isaky ny kilasy ny mpianatra any Androy izay manohitra ny fenitra nepetraky ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ka tsy ahafahan’ny mpianatra misitraka fahalalana araka ny tokony ho izy.
Ho an’ny EPP, 67% ny tahan’ny fisondrotana kilasy raha 72,31% izany ho an’ny ambaratonga faharoa (CEG). Ambany noho ny taham-pahafahana eritreretin’ny minisitera ho tratrarina izany, izay mahatratra 75%. Faritra fito iasan’ny tetikasa no nohadihadiana ny taona 2024.
Nitombo hery ka nomena anarana Elvis ilay rivodoza ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Omaly atoandro, tany amin’ny 140km andrefana somary atsimo andrefan’Itampolo, Ampanihy no nisy ny foibeny. Mitondra rotsakorana mitohy any amin’ny faritra manodidina azy ity rivodoza ity.
Mbola ao anatin’ny fotoana hanamarihan’ny mpianakavy sy mpiara-miasa na fikambanana ny fifampiarahabana tratry ny taona izao. Tandremo ihany ny horokoroka sy ny mifampihimpihina na mifanakaiky loatra aza fa mamely izao ny gripa. Tsy voatery mandeha amin’ireny vory olona ireny rehefa mahatsiaro ho mety hamindra aretina.