“Matoa notenenina hoe haverina ny fifidianana amin’ireny kaominina ireny dia tena tsy maintsy haverina tokoa”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Haja Nirina, teny Antanimena, omaly, ny amin’ny fifidianana kaominaly hoe haverina. Mba tsy ho toy ny kaominina maromaro teo aloha, tratran’ny fe-potoana iray tsy naverina ihany ny fifidianana. Mbola niitatra tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna aza izany, ary saika fe-potoana roa aza ary PDS no mitondra ny tanàna. Amin’izao fotoana izao, raha ny navoakan’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana: mbola misy ireo mankany amin’ny Filankevi-panjakana ny raharaha. Koa tsy mbola marin-toerana tanteraka ny isan’ny kaominina hamerenana fifidianana. Toy ny fifidianana rehetra io. Manolotra volavolana tetiandrom-pifidianana ny Ceni. Ny governemanta no manao fanaikana mpifidy amin’ny fifidianana. Rehefa vita izay, manaraka ny pitsopitsony rehetra. Ny enti-manana, ny fitondram-panjakana no mijery ny fanatanterahana azy.
R. Nd.