“Mondiacult 2025”: Hamaritra ny politikan’ny kolontsaina maneran-tany

“Inona no entin’ny kolontsaina amin’ny fampandrosoana maharitra?”. Lohahevitra iray lehibe, iompanan’ny “Mondiacult 2025” io. Hanana anjara amin’izany Fikaonandoha izany i Madagasikara.

Fotoan-dehibe ho an’ny sehatry ny kolontsaina maneran-tany. Hotonto­saina ny 29 septambra hatramin’ny 1 oktobra izao, any Bar­celone, Espagne, ny “Mondia­cult 2025”. Fihaonana an-tampony lehibe indrindra, hamaritana ny politikan’ny kolontsaina maneran-tany, mandritra ireo taona maro ho avy izy ity. Mpandray anjara an’arivony no handrasana amin’izany, avy amin’ireo firenena miisa 194 mpikambana ao amin’ny Unesco. Loha­hevi-dehibe miisa 4 no hovelabelarina mandritra ny fikaonandoha: ireo zo ara-kolontsaina, ny teknolojia niomerika amin’ny sehatry ny kolontsaina, ny kolontsaina sy ny fanabeazana ary ny toekarena sy ny kolontsaina. Mbola hisy fisampanana ireo lohahevitra ireo, arakakara izay voafaritra tamin’ireo fakan-kevitra isam-paritra, izay efa nanomboka fotoana elaela izay.
Misy tanjona goavana amin’ ny “Mondiacult 2025”. Ankoa­tra ny famaritana ny politikan’ny kolontsaina maneran-tany, hanokatra ny fametrahana ny kolontsaina ho andrin’ny fampandrosoana maharitra mialoha ny taona 2030 ihany koa io Fikaonandoha io. Ma­nambatra aloha, avy eo ha­moaka tanjona iray lehibe, ho tafiditra anatin’ny paikadim-pampandrosoan’ny Firenena Mikambana. Efa hita soritra amin’ireo fakan-kevitra isam-paritra ihany izay fironana mankany amin’ny fotokevitra iombonana izay. Mila paikady mirafitra sy mijery ny olana arahim-bahaolana isaky ny firenena tsirairay kosa izany, ka tohananan’ny vovonana fara tampony iraisam-pirenena. Izay fehin-kevitra mivoaka amin’ny “Mondiacult 2025” dia hekena sy hankatoavin’ireo firenena mikambana ao amin’ ny Unesco. Hanatsara ny asa aman’andraikitr’ireo mpisehatra amin’ny kolontsaina izany.
Efa natombok’ireo solontenan’ireo firenena any Europa Andrefana sy Amerika Avara­tra ny fakan-kevitra isam-paritra, ny volana novambra teo, tany Espagne. Nitohy tamin’ireo avy any Europa Atsinana­na izany ny volana desambra teo. Notontosaina ny 22 sy 23 janoary lasa teo kosa ny aty amin’ny faritry ny Ranomasim­be indianina izay misy an’i Madagasikara. Natao tamin’ny alalan’ny tambajotra ampitain-davitra ny fikaonandoha, izay nandraisan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, anjara. Midika izany fa tsy to­kony ho tara amin’ny lamina iraisam-pirenena mahakasika ny kolontsaina sy ny fampandrosoana maharitra isika.

Zo ny Aina

Partager sur: