TSELATRA

Efa-dahy mpisoloky sady mampiasa vola sandoka karohin’ny sampandraharaha misahana ny fikarohana heloka bevava  eo anivon’ny polisim-pirenena, afakomaly. Mpanao trafikana sokatra ny iray.
Lehilahy 65 taona hita faty tao Ambodiletsihy fokontany Marotandrazana kaominina Antetezambaro, ny talata 28 janoary teo. Nozahan’ny mpitsabo, voamarina fa hamamoana tafahoatra no nitarika ny famoizan’io lehilahy io ny ainy.
Tratra nangalatra finday noho ny hamamoana. Lehilahy iray manodidina ny 60 taona eo ho eo no atao fanadihadiana noho ny halatra finday ao anivon’ny kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka Mandritsara, amin’izao fotoana izao. Nanosika azy hanao izao asa ratsy izao ny fitiavana te hisotro toaka. Tratra nangalatra finday izy vokatr’zany. Niaiky ny fahadisoany ilay olona voarohirohy ary niaiky fa natakalo zava-pisotro vitsivitsy ilay entana voaroba.
Teratany vahiny iray manodidina ny 70 taona hita faty tao an-tranony, omaly, tany Fenoarivo Atsinanana. Nahitana ratra ny vatany, taorian’ny fizahana ny razana nataon’ny mpitsabo. Efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha.

Partager sur: