Miisa 433 ireo orinasa niforona tao anatin’ny telo volana faran’ny taona 2024. Nahitam-piakarany 20,2% izany raha oharina ny tamin’ny taona 2023. Orinasa malagasy avokoa ny 70% ireo vao niforona raha tantanina teratany vahiny ny 30%. Mitana ny laharana voalohany ireo misehatra amin’ny sokajy fahatelo izay mahatratra 81,1%.
Hampiroboroboana ny lafiny indostria amin’ny sehatry ny fambolena. Hanatanterahana izany ny fanohanana ny famokarana tantanim-pianakaviana sy ny fanomezana azy ireny fitaovana sy kojakojam-pamokarana. Miara-miasa hanatrarana ny tanjona ny fanjakana, ny FAO, ny Pam, ny Fida, ny Onudi, sns.
Simba, ny talata alina teo, ny gropy « électropompe » iray an’ny Jirama eny Mandroseza. Vokany, nikorontana ny famatsian-drano tany amin’ny faritra maro teto an-dRenivohitra, Toy ny fihenan’ny tosiky ny rano na tapaka, nanomboka omaly alarobia. Eo am-panarenana sady mikaroka vahaolana maika sy maharitra ny Jirama.
Zava-dehibe ho an’ireo mpisehatra amin’ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana ny « circulaire d’exécution budgétaire » (CEB). Manome torolalana sy manampy amin’ny fanatrarana tanjona izany. Natolotry ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), omaly ny CEB ho an’ny taona 2025 izay nitondrana fanavaozana.