Vovonana Firaisankina :”Aoka tsy hanilika andraikitra…”

Nambaran’ny filoha na­sionalin’ny antoko HVM, Rakoto­vao Rivo, eo anivon’ny Vovo­nana Firaisankina fa tonga amin’izao ny firenena noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. “Ailika amin’ny fanoherana hatrany ny tsy fahombiazan’ny mpitondra eo amin’ny fitantanana”, hoy izy, omaly, teny Faravohitra. Notanisainy tamin’izany ireo zava-misy sy ny olana amin’izao fotoana izao. Anisan’ izany ny fitotongan’ny fanabeazana sy ny fampianarana, ny hanohanana mianjady amin’ny vahoaka, ny fiaka­ran’ny vidim-piaina­na… No­hitsiny fa tsy jamba akory na tsy mahita na tsy maheno izany ny vahoaka… Lalaovin’ ny mpitondra amin’izany amin’ny alalan’ny fahefana ma­tanjaka eo an-tanany ny firenena, efa potika, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, notsiahiviny ireo tenin’ny mpomba ny fitondrana tato ho ato amin’ny filazana ny mpanohitra ho malemy, tsy mahavita azy sy tsy mahatarika vahoaka ary resy lava amin’ny fifidianana. “Omena tsiny ny mpanohitra fa tsy tia tanindrazana ka mahatonga izao toerana misy ny firenena izao. Nefa ny tsy fahombiazan’ny politikan’ny mpitondra ny antony…”, hoy ihany izy. Tonga hatrany amin’ny fanivaivana sy famingavingana ireo raiamandreny mivonona ny hijoro hanavotra ny tanindrazana izany, araka ny nambarany hatrany. “Izany ve sisa no hiafarantsika ?”, hoy ny fanontaniany.

Synèse R.

Partager sur: