Raha efa voatondro ho ny 1 feborary ho avy izao no hanombohan’ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra na ny Pureplay Football League (PFL 2025), nihemotra herinandro indray izany. Notapahin’ny Club de football elite de Madagascar (CFEM), tomponandraikitra voalohany amin’ity fiadiana
ny ho tompondakan’i Madagasikara ity, fa ny 8 sy 9 febroary indray izany vao handeha. Antony, ny fangatahan’ireo klioba sasany izay nanana mpilalao nandrafitra ny Barea Chan, izay tsy afaka nanomantena niaraka tamin’izy ireo. Tsiahivina fa 12 ireo klioba handray anjara amin’ity taom-pilalaovana ity raha 16 tamin’ny taon-dasa. Niala an-daharana ny efatra. Lalao tokana mandroso ihany no hanatontosana ny dingana voalohany. Hotanterahina hatramin’ny 29 avrily izany. Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny CFEM, ny talata lasa teo, fa tsy maintsy hatolotra ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) ny anaran’ny ekipa tompondakan’i Madagasikara hiatrika ny “Ligue des champions d’afrique”, mialoha ny faran’ny volana jona 2025.
Tompondaka