Hiampy indray ireo vary hiparitaka sy amidy mora eny an-tsena. Andrasana tsy ho ela ihany koa ireo vary nafarana entina hamatsiana sy hamaliana ny filan’ny mpanjifa.
Efa mitoby ao amin’ny fanatobian’entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina amin’izao ireo vary milanja 22 500 t raha manodidina ny 90 000 t kosa ny heverina ho tonga, hafarana avy any ivelany, hoy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Hiparitaka eny an-tsena manomboka ny voalohandohan’ny volana febroary izao ny ampahany voalohany amin’ireo vary ireo. Hitohy any amin’ny faritra samihafa izany. « Hitsinjara ara-drariny ireo vary nafarana ireo any amin’ny faritra ny ekipan’ny minisitera rehetra », hoy ny tale jeneralin’ny varotra, Razanakoto Isidore. Tanjona ny hampidinana ny vidim-bary ho 750 Ar ny kapoaka, araka ny toromariky ny filoham-pirenena.
Ankoatra izay, manohy ny asany hatrany ny Task Force Riz ivondronan’ireo minisitera samihafa sy ny rafitra isan-tsokajiny voakasiky ny raharaham-bary handrindra sy hanatsara ny seha-pihariana. Porofo izao fa mitondra vokatra ny paikady napetraka hifehezana ny vidim-bary.
Vina
Haparitaka amina faritra maro ireo masomboly sy zezika izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa voly vary safiotra, araka ny voalaza ao anatin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo. Efa tonga eto amintsika ihany koa ireo masomboly vary safiotra 200 t hampiroboroboana ny famokaram-bary. Tanjona ny hamokarana vary 7-10 t isaky ny hektara amina velaran-tany 8000 ha ho an’ny volana janoary ka hatramin’ny avrily 2025. Na izany, tokony hafainganina ny fanapariahana ireo masomboly eny amin’ny tantsaha noho ny fahataran’ny orana.
Henintsoa Hani