Noraisin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Anosy, omaly, ireo iraka avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI).
Nivoitra tamin’izany ny fifanakalozana eo amin’ny roa tonta amin’ny hanohizana ny ezaka hiadiana amin’ny kolikoly sy ny fangalarana tany. Voatsiahy tamin’ izany ny fiaraha-miasan’ny MFFT amin’ireo rafitra samihafa, toy ny Bianco sy ny eo anivon’ny “Transparency International – MG”. “Efa ao anatin’ny fandraisana andraikitra momba izany ny eto anivon’ny minisitera. Tafiditra ao anatin’izany ny ady atao amin’ny fandravana ireo tambajotra, mpangalatra tany”, hoy ny tomponandraikitra. Eo koa ny fametrahana ny fitantanana anaty mangarahara.
Notsiahivin’ny eo anivon’ny MFFT koa ny fanakaikezana kokoa ny vahoaka eny ifotony momba ny fananan-tany, amin’ ny alalan’ny fananganana ny rantsana BSFI. Manampy izany ny fiahiana sy fanampiana ireo mpampiasa vola manoloana ny fangatahan’izy ireny velaran-tany hiasana.
Tsy misy indrafo amin’ireo mpangalatra tany
Ankoatra ireo, ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny hametrahana ny birao ho an’ny fitarainana sy hanaovana ireo dingana samihafa, manoloana ny ady tany.
Tsiahivina fa anisan’ny efa nambaran’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, ny tsy handeferan’ny fitondram-panjakana sy ny tsy ananana indrafo amin’ireo mpangalatra tany. Eo koa ny hiarovana ny vahoaka sy ny tantsaha amin’ ny taniny.
Synèse R.