Izay be no basy

 

Somary mangingina izany tanàna! Variana amin’ny mahavariana azy ny sarambabem-bahoaka. Ny mpanao politika no hany mikononkonon-javatra. Tsy fantatra mazava ny tiana hahatongavana. Ny fanambarana no mipoipoitra tsikelikely. Milaza an’izatsy na izaroa ireo mitonona ho matihanina amin’izany. Milaza indray fa sady tia tanindrazana no mitsinjo vahoaka.
Indraindray dia mipetraka ny fanontaniana amin’ny faha­matorana sy ny etikan’ireny zokiolona ireny. Taiza tokoa tamin’ny ora-nidona? Taitra ny olona tsy mba taitra, izao vao mikoropaka. Milokaloka indray fa vonona hifampizara ny anjara masoandro amin’ny sarambabem-bahoaka.
Sanatrian’ny vava manao kirin’antitra, kanefa zava-dehibe aloha ny fahavononana. Hatraiza ny hery ananana sa misy ny mpanohana avy aty ambadika? Marina fa marisarisa sy tsy milamina ny toe-draharaha eto amin’ny firenena, saingy tsy natao hilam-baniny intsony izao. Vanim-potoana mila fandinihana lalina.
Ilaina ny fanakianana avy amin’ny mpanohitra. Arofanina tsy hampibolisitra izy ireny. Tsy nataotao fahatany hamotehana ny efa mitsangana, na handrodanana ny efa mijoro izany. Raha misy ny fitiavan-tanindrazana, zava-dehibe ny fifanoloran-tanana amin’ny asa fampandrosoana. Raha misy ny lesoka, zava-dehibe ny fidinana an-tsehatra, mitondra ny anjara biriky.
Tsy azo tsinontsinoavina fa firenena mendrika ny ho tafita i Madagasikara. Niangaran’Andriamanitra amin’ny ha­rena voajanahary, tsy hita pesipesenina. Ny firaisakina sy ny fitoviam-pijery no takina amin’ny tsirairay. Tsy tokony hisy ny volo mpanoha-randrana na fandoto iray tandroka.
Zava-dehibe hamerenana ny hasina maha Malagasy izay fototra isian’ny fampandrosoana ny fifankatiavana sy fifanohanan’ny mpiray firenena, indrindra ny zana-tany. Ma­tetika mantsy, zarazarain’ny tombontsoa manokana isika ka manadino ny soa iraisana. Zary variana amin’ny sitrany ahay ho ahy ka manadino ilay hoe izay be no basy!

r.r

Partager sur: