Lany andro: Mila havaozina ny taranja malagasy

Mianatra « malagasy » mandritra ny 12 taona, kanefa, tsy mahay teny malagasy. Mia­natra « malagasy », kanefa, tsy mahay manonona teny malagasy ny taranaka Mala­gasy. Tsy mahay manavaka ny « dr » sy ny « j ». Ny « An­dri­a­manitra » lasa « Anjemani­tra ». Ny « ianareo » nanjary « iana­rrrrrreo ». Mianatra « malagasy », kanefa, manana fotom-pisainana vahiny ny zaza sy ny an­kizy ary ny tanora Mala­gasy… Tranga tsy fahita loatra eto ambany masoandro ireo.
Mila havaozina tanteraka ny vontoatin’ny taranja mala­gasy ianarana any an-tsekoly fa tsy mitondra soa ho an’ny Malagasy sy Madagasikara. Esorina izay tsy ilaina. Ham­pidirina kosa ny zava-dehibe. Iray amin’ireny ny hanairana ny sain’ny taranaka Malagasy fa Malagasy izy ary azy ny momba an’i Madagasi­kara manontolo.
Manana manam-pahaizana sy olon-kendry mahavita io fanavaozana lehibe io ny tontolon’ny fampianarana eto Ma­dagasikara. Izy ireo no tokony omena ny fahafahana hanatontosa izany… Sa, mety tsy ho vita io raha tsy atao ao anaty tetikasa vatsian’ny vahiny vola ?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: