Njara Marcel: “Anatin’ny tononkira no handonana ny fon’ny olona”

Tafiditra tanteraka anatin’ny laza i Njara Marcel. Tsy mora anefa ny lalana nolalovany tamin’izay. Tafa fohy, teo anelanelan’ny fandraisam-peon’ny hira vaovao, nifanaovana taminy.

Gazety Taratra(*): Efa mi­petraka izao ilay anarana Njara Marcel. Azo fintinina ve ny lalana tao anatin’ny mozika nandritra izay?
Njara Marcel (-): Eny. Na­nomboka ny taona 2012-2013 teo no roboka tao anatin’ny mo­zika aho. Tany Antsirabe tamin’ izany, ka mpanao mozika avokoa ry zalahy namana. Nisy an’iny fifaninanana nahazoako ny voalohany iny, ary mbola ny namana ihany no nandrisika tamin’izany. Ny taona 2016 kosa no tena nanomboka nitady ny lalana eo amin’ny mozika, na namoaka ny “Tena tiako”. Mafimafy ny fiantombohana, sarotra ny nametraka ilay maha Njara Marcel. Telo taona teo niady mafy vao folaka izany. Taty amin’ny taona 2020, araka izany, vao tena nandeha ilay maha mpanao mozika, nisy mpanaraka sy mpankafy. Dia izao vonona hanohy hatrany izao.

* Mifototra amina lohahevitra raikitra avokoa ve ireo hiran’i Njara Marcel? Ary misy fironana amin’ny gadona ?
– Ny fiarahamonina. Maro ny hafatra tiako hampitaina amin’ ny fiarahamonina. Mora hampitaina sy mora raisina kokoa izy anaty mozika. Anatin’ny tononkira no handonana ny fon’ny olona, mba ho tafalatsaka any anatiny any ny hira. Ilay “Azafady”, niarahako nihira tamin’ny namana iray iny, ohatra, tsy hoe tantara niainako fa tena hoe lohahevitra tokony horesahana mihitsy.
Lafiny gadona, niainga tamin’ny « indie folk » ihany aho, saingy niara-nitady izay nampiavaka tamin’ireo namana mpitendry anaty tarika ka namoaka ireny.

* Hahafantarana an’i Njara Marcel koa ny fampiarahana talenta amina mpanakanto namana. Naninona no niantefa tamin’i Nanie ny safidy tanatin’ity hira vaovao ity?
– Nisy “cabaret” iray izay niarahanay tamin’i Nanie tamin’ny taona 2023. Tena feno ny trano ary nankafizin’ireo izay nanatrika ny fiarahana. Taty aoriana, niantso ahy i Nanie hoe maninona raha mamorona hira iarahana? Tsy nisalasala mihitsy aho satria voninahitra lehibe ho azy izany. Nosoratako ny “Isika roa”, ary nanom­boka ny fandraisam-peo tato izahay. Teo no nahatsapako fa tena izy mihitsy no mety amin’ilay hira.
Hoentinay an-tsehatra io fampiaraham-peo io, ny alahady 23 febroary izao, manomboka amin’ny 3 ora ao amin’ny CCEsca Antanimena. Hifototra amina fampiaraham-peonay sy i Nanie mi­hitsy ny seho, na dia samy hanana ny anjarany aza ny tsirairay.

Zo ny Aina

Partager sur: