SOMBIM-BAOVAO

Hankalaza ny faha-50 taona nilomanosany tao anatin’ny taranja Volley ball, Raharimalala Léa, filohan’ny Federasiona malagasy ny taranja Volley ball amin’ity taona 2025 ity. Hetsika maro no hokarakaraina hanamarihana izany, ka hosantarina amin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2025, ny sabotsy 1 febroary izao izany.

Tsy tafiditra anatin’ny 250 voalohany maneran-tany ny mpilalao basikety malagasy, raha ny filaharana farany navoakan’ny federasiona iraisam-pirenena ny taranja basikety. Nahitana fihemorana ihany koa ny filaharana eto Afrika, raha toa ka voalohany eto Madagasikara i Elly sy i Chine.

Tafalatsaka ao anatin’ny vondrona « A » i Comores, mandritra ny “Can 2025” izay hatao any Maroc. Miray vondrona amin’izy ireo ny mpampiatrano Lion de l’Atlas. Ankoatra izay, mbola mifandona amin’izy ireo ao ihany koa i Mali sy i Zambia. Tsara marihina fa i Comores sy i Mali, dia miray sokajy amin’i Madagasikara, anaty ady tapakilan’ny Mondial.

Nifarana tanteraka ny afakomaly, teo ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions LDC 2025”, taranja baolina kitra. Efa tsara toerana miandry ny lalao ampahavalon-dalana ny Liverpool, Anglisy, sy ny FC Barcelone, Espagne. Miatrika lalao sakana kosa ny Real Madrid.

Partager sur: