TSELATRA

Nopotehan’ny fokonolona ny entana tao amin’ ny trano fivarotam-panafody iray ao Foulpointe, omaly. Tsy hita andro vitsy lasa ny ankizilahy 14 taona rehefa voalaza fa nangalatra lelavola 4 tapitrisa Ar. Niasa tao amin’io lehilahy mpivarotra fanafody io ity farany. Nikaroka ilay zaza anefa ny fokonolona ka tonga tao amin’io tranon’ilay lehilahy io. Nopotehan’ny fokonolona avokoa ny entan’ilay tompon-trano.
Notazomina eny Tsiafahy, afakomaly, ilay zandary nitifitra ny lehibeny tany Beroroha ny volana oktobra lasa teo. Notifirin’io zandary io ny kapiteny lehibeny ka niafara tamin’ny famoizana ain’ity farany izany. Nitifi-tena ka naratra mafy teo amin’ny faritry ny tarehiny ilay nahavanon-doza ka nentina notsaboina. Nahazo fahasalamana, nalefa eny Tsiafahy izy.
Lehilahy nahatrarana fitaovam-piadiana mahery vaika tao Antalaha, afakomaly. Tsy nanana taratasy ara-dalàna nahafahana nihazona io basy io izy. Nosaivana tao an-trano fonenan’io lehilahy io ka tratra tao ny basy voalaza niaraka tamin’ny bala.
Dahalo roa lahy lavon’ny zandary tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Ambondromamy, distrikan’Am­bato­boeny, ny 28 janoary teo. Mpangalatra omby ikoizana izy roa lahy ireo ka efa nokarohina hatry ny ela. Mitohy ny hazalambo ataon’ny zandarimaria miasa eo anivon’ny kaompania Ambatoboeny ireo olon-dratsy.

Partager sur: