Youthconnekt Africa 2025 : Sehatra hampisongadinana ny lentan’ny tanora malagasy

Hampihetsika ireo fihariana maro ny fandraisana ny “Youthconnekt Africa 2025”. Fotoana hisokafana amina tsenam-barotra samihafa. Hiteraka fampidirana vola vahiny ho an’i Madagasikara ity fihaonambe ity. Fotoana fanararaotra ho an’ireo tanora.

Hotanterahina eto Mada­gasikara ny 26 ka hatramin’ny 30 novambra izao ny “Youthconnekt Africa 2025”. Nisongadina izany nandritra ny fampahafantarana nataon’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Moustapha Marson, tetsy Ankorondrano, omaly.
Fotoan-dehibe hisokafan’ ny tanora amina sehatra maro io fotoana io satria vahiny an’aliny avy amina firenena afrikanina 40 no ho avy eto hanatanteraka ny fihaonana. Hetsika fanararaotra amina lafin-javatra maro ka hanairana ireo tanora hivonona sahady dieny izao, mba hiomana amin’ny fandraisana sy ny tolotra hifanakalozana.
10 volana no hanomanana ity hetsika goavana ity. Efa mizara ireo kaomity isan’ambaratonga sy sokajy misy azy avy. Ifarimbonan’ny minisitera rehetra ny fanatanterahana ny “Youthconnekt Africa 2025”, toy ny traikefa efa azo tamin’ ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy teto amintsika.
Tanjona ny handraisana an-tanana haingana sy hahalavorary ny fahatanterahan’ny hetsika, hoy ny minisitra, Moustapha Marson. Maha­tratra 20 000 ny mpizaika ho tonga aty Madagasikara ka mila vonona amin’izany isika.
Mitentina 2 tapitrisa dolara ny tetibola entina hanatanterahana izany. Efa nisy nampanantena 400 000 dolara ireo mpiara-miombon’antoka hatreto. Efa nifanatona sy vonona hanampy ihany koa ireo orinasa matanjaka sy ny sehatra tsy miankina ary ny malala tanana.
Hisy ny fitetezana an’i Madagasikara hifantenana ireo tanora handray anjara amin’ny hetsika.
Anisan’ny fitaratra hahafahana maneho amin’ny firenen-kafa ny kolontsaina sy ny maha izy azy ny tanora malagasy ny “Youthconnekt Africa 2025”. Hisy koa ny hetsika ara-panatanjahan­tena…ny atrikasa, fanasongadinana ny fahaiza-manaon’ny tanora ma­lagasy izay maha sangany antsika mihitsy.

Tatiana A

Partager sur: