Tsy efan’ny irery

Aretin-dratsy sady mifindra mamotika fiarahamonina no manimba ny isam-batan’olona? Mbola misy sahy manohitra izany ve amin’izao fotoana izao? Fanontaniana kidaladala, saingy mahatonga saina. Tena izay toerana rehetra haleha, tsy miteny raha tsy vola! Manahirana be ilay izy fa na dia hanontany ora amin’ny famantaranora aza efa mila “mametraka kely” 200 Ariary na 100 Ariary.
Tsy natao hahakivy na hahatezitra intsony ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Iainana toy ny fahalovana samihafa mikiky an-dRamalagasy andavanandro fotsiny. Tena mamohehatra ny zava-misy amin’ny ankapobeny. Ny mahavariana, ny madinika samy madinika no mifampitsentsitra tsikelikely. Manao izay hamelezana ny sasany.
Mirehareha anefa ireo mpiady amin’ny kolikoly fa tsara ny vokatra azo. Volabe amina miliara rahateo no azo noho ny kolikoly voasoroka. Efa maromaro rahateo ny trondro vaventy tra-tehaka sy naiditra am-ponja. Efa azo notsapain-tanana ny vokatra azo. Hinoana fa hitombo izany amin’ny dimy taona manaraka. Efa vita rafitra tsara rahateo ny politikam-pirenena ho enti-miady amin’ny kolikoly.
Raha ny endriky ny tahirin-kevitra aloha no jerena dia tena mahavelom-panantenana tokoa. Izay ho fanatanterahana sisa andrasana. Anisan’ny teboka iray, mahasarotiny ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, rahateo izany. Vaindohan-draharaha ho kitro ifaharan’ny fampadrosoana mihitsy ny ady amin’ny kolikoly.
Mitaky ny fahatsapan-tenan’ny olom-pirenena rehetra anefa ny famongorana ny kolikoly. Ny mpitondra na ireo olona natokana hitarika ny rafitra tsy mahafongana an’io samirery. Mila ny fiaraha-mientan’ny vahoaka malagasy tsivakivolo izany. Sady tomponadraikitra no lasibatra avokoa ny rehetra. Rehefa tsy hisy ny fifanomezan-tanana dia mazava ho azy fa tsy ho resy na oviana na oviana io.

r.r

Partager sur: