Any Atsimo: Mitsoa-ponenana noho ny mosary sy ny haintany ny mponina

Mivaivay ny haintany mitarika amin’ny tsy fahampian-tsakafo any atsimon’ny Nosy. Lasa marefo ny mponina ka voatery milaravinahitra amin’ny toeran-kafa. Ireo olona any Atsimo Andrefana lasa mifindra monina any Atsimo sy any Menabe mamboly sy manao fihariana. Mila vahaolana haingana mba tsy ho vesatry ny faritra ivahinianana indray.

Voaporofon’ny fanadihadiana fandalinana momba ny tondro vahaolana sy fifindra-monina (ISM) tany amin’ny faritra Atsimo sy Menabe fa tsy tamana amin’ny tanindrazany intsony ny olona any fa lasa mifindra monina mitady tany hambolena. Manodidina ny 400 000 ireo nifindra-monina teo anelanelan’ny taona 2023-2024.
Ireo olona avy any Atsimo Andrefana lasa mamonjy ny any Atsimo sy any Menabe mamboly sy miompy ary mitady fihariana. Kaominina 46 tany Atsimo no nanaovana fanadihadiana ary kaominina 12 hafa any amin’ny faritra Menabe izay mandray ireo mpifindra-monina ireo.
Tsy mamokatra ny tany, tsy misy ny rano hosotroina sy hahafahana mamboly, mamely ny mosary sy ny fahantrana. Lasa marefo vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ny mponina ka voatery miala mba tsy ho fatin’ny hanoanana miaraka amin’ireo biby fiompy. Eo koa ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasam-pampandrosoana, ny tsy fandriampahalemana izay manampy trotraka.
Mamantatra ireo fanamby sarotra mampitombo ny faharefoan’ny mponina sy ireo loza ateraky ny fifindra-monina ny fanadihadiana natao.
Entina hamantarana ireo antony manosika ny mponina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana hifindra monina mankany amin’ny faritra hafa, indrindra any amin’ny Faritra Atsimo sy any Menabe.
Mahery vaika ny tsy fahampian-tsakafo

Mivaivay ny haintany ary miha maharitra. Mahery vaika ny tsy fahampian-tsakafo, maro ireo mponina no mivezivezy mankany amin’ny faritra hafa ahafahana mamboly toy ny any Morondava sy Belo Tsiribihina.
Mikendry ny hamantatra ireo vahaolana mba hampitomboana ny fahamarinan-toeran’ireo faritra voakasika sy hisorohana ny fifindra-monina an-tery setra ny fanadihadiana natao tany an-toerana.
Manoloana ny zava-misy, soso-kevitra taorian’ny fanadihadiana ny asa maika tokony hatao ny hanampiana ny mponina hahay miaina miaraka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Manao fambolena maharitra mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro. Arovana amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa matanjaka ireo loharano voajanahary. Ampitomboina ny rafitra fanairana mialoha hahafahana misoroka ny krizy.
Niarahan’ny BNGRC tamin’ny Pnud sy ny OIM ary tohanan’ny tetikasa Echo-Sap ny fandalinana, mba hikendry ny hanomezana ireo angom-baovao rehetra misy fiantraikany amin’ny fitoniana eo amin’ny faritra. Hanatsarana ny valin-kafatry ny fandaharanasa amin’ny sehatry ny maha olona koa izany.

Tatiana A

Partager sur: