Tontosa omaly, tetsy anivon’ny kaominina Ampitatafika ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Ben’ny tanàna voafidy, Ramparaoelina Rado sy ny ben’ ny Tanàna mpisolo toerana, Randrianarivony Jocelyn Marinot.
Natolotra nandritra izany koa ireo mpanolotsaina fito mianadahy, miara-miasa aminy. «Fanatsarana amin’izao fotoam-pitondrana fahefatra izao ny fanamafisam-piaraha-miasa avy any amin’ny Norvège», hoy ny ben’ny Tanàna, Ramparaoelina Rado, raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety. « Ezaka atao hafa ny hampiditra sy hampiasana ireo angovo miaro sy manaja ny tontolo iainana, toy ny fampiasana ireo fiara sy kodiaran-droa fakana fako elektrika », hoy izy. Hatsaraina koa ny fidiram-bolan’ny kaominina, amin’ ny alalan’ny fametrahana olona iray mandray andraikitra telo samihafa. Nambarany fa mety ho betsaka ny vola mivoaka eo anivon’ny kaominina ao anatin’ny herintaona sy tapany.
Momba ny tondradrano
« Tsy marina ny filazana fa mahatonga ny tondradrano ny fanotofana tany », raha ny voalazany. Nambarany fa arakaraka ny hisian’ny fanotofana tany no hahafahana mahafehy ny rano ho an’ny tantsaha. Ara-dalàna koa hoy izy, ny fanotofana tany ho an’ity kaominina ity, araka ny fehezan-dalàna 312 bis / 2018 tamin’ny andron’ny filohan’ny Repoblika, Rajaonarimampianina Hery. Hatramin’izao, 22 ha ny tany vita tototra, tanjona ny hanao izany ho 40 ha. Mbola hiresaka amin’ny filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao izy ireo, hanokafana ny fanotofona tany izay voafaritra ao anatin’ny plan d’urbanisme détaillé.
Mifandray akaiky amin’ny fitondram-panjakana ity kaominina ity, tsy ny loko ara-politika fa ny resaka fampondrosoana no iraisana. Tonga nanotrona ny fotoana, ny Solombavambahoaka voafidy avy ao amin’ny borobrintany fahadimy, Ralambozafimbololona Fetra sy solombavambahoaka voafidy avy any Ambositra.
Mino