Cité Universitaire: Hazavaina ny tanàna eny amin’ny R+1 Ankatso II

Napetraka eny amin’ny cité R+1 Ankatso II ny famatsiana herinaratra 160 KVA. Mahazaka tanteraka ny filan’ireo mpianatra mipetraka eny an-toerana io, raha ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.
Nanatanteraka ny asa ny ekipa teknikan’ny Jirama. Andrin-jiro miisa 11 no hapetaka eny an-toerana hitondra ny taribin-jiro hanazava ny tanàna.
Ankoatra ny jiro, nilaza ireo mpianatra fa efa mandeha tsara koa ny famatsian-drano eny an-toerana ka nankasitraka ny fanjakana izy ireo amin’ny fitsinjovana ny maha olona. Efa mandeha ny fampidirana ny rano isan-trano amin’izao fotoana. Ny eny amin’ny R+1 misy ny vehivavy no nanombohana izany.
Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fiainan’ireo mpianatra sy ny toeram-ponenan’izy ireo ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa amin’izao fotoana. Iankinan’ny fianarana ny herinaratra ka izany indrindra no nanaovana azy ho laharam-pahamehana.

Tatiana A

Partager sur: