Mitotaly 433 ireo orinasa nisoratra anarana eny anivon’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), nandritra ny telo volana faran’ny taona 2024. Nahitam-piakarany 20,2% ity tarehimarika ity raha oharina ny tamin’ny taona 2023, hoy ny fanazavana voaray. Orinasa manana mpiara-miombon’antoka malagasy maro anisa ny 70%-n’ireo orinasa voalaza etsy ambony. Ahitana mpiara-miombon’antoka vahiny kosa ny 30%. Lohalaharana amin’izany ny teratany sinoa, manaraka azy ny teratany frantsay, ny karana. Eo amin’ny laharahana fahefatra ny pakistaney ary farany ny teratany maorisianina. Ny sokajim-pihariana fahatelo mifantoka amin’ny varotra sy ny tolotrasa na servisy no betsaka amin’ireo orinasa vao niforona. Tafakatra hatrany amin’ny 81,1% ny orinasa misehatra amin’izany raha 17,1% ireo misehatra amin’ny sokajim-pihariana faharoa misy ny indostria sy ny fanodinam-bokatra. Mbola ambany ka 1,8% monja ireo orinasa misehatra amin’ny sokajim-pihariana voalohany misy ny fambolena sy ny fiompiana.
Henintsoa H.