Fahasalamana : Ireo fiarovana amin’ny aretina pesta

Mbola ao anatin’ny vanim-potoana mampirongatra ny aretina pesta isika eto Madagasikara ka ilaina hatrany ny fahamailoana. Nampahafantatra ireo fihetsika tsotra kanefa mila finiavana iadiana amin’ny voalavo mitondra ireo parasy mamindra ny aretina pesta ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Ilaina ny mamboly zavamaniry mandroaka voalavo, mampiasa dabam-pako, miady amin’ny doro tanety hisorohana ny fiakaran’ny voalavo an-tanàna. Arovana ny trano fonenana sy ny fitehirizam-bokatra hisorohana ny fidiran’ny voalavo ao an-trano. Ivelan’ny fonenan’ny olona no tsara itehirizana ny vokatra. Tsara ny miompy biby mpiremby voalavo. Tokony atao sambo-belona ny voalavo ary atsipy anaty afo mba hofaty hatramin’ny parasy ao aminy.
Ho an’ny ady amin’ny parasy kosa, tokony hakopaka matetika ny lamba sy ny tsihy ary hatapy amin’ny masoandro. Mampiasa fandrika parasy, labozia na jiro amin’ny solika. Diovina matetika ny trano sy ny tokotany. Mampiasa zavamaniry mamono parasy toy ny sevabe, voandelaka, dingadingana…
Fotoana fiakaran’ny vary izao eto amin’ny lemak’Anta­na­narivo ka tonga manafika ny sompitra ny voalavo. Mila arovana ny vokatra sy ny tanàna.
Mamono haingana ny aretina pesta raha tsy voatsabo haingana ny marary. Tsy tokony miandry ela raha vao tsy dia salama fa mamonjy tobim-pahasalamana haingana. Izany no atao dia tsy hahatara ny fitsaboana.

Tatiana A

Partager sur: