Noraisin’ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM, omaly, teny Andohalo, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala.
Nivoitra tamin’izany ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ka nifampizarana sy samy nanehoana hevitra ny momba ny andraikitra iombonana eo amin’ny fiangonana sy ny CUA. Nanterin’ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, fa ilaina ny fitokisana an’ Andriamanitra ho fanamafisana ny asa rehetra hatao. “Loharanom-pahendrena Izy ary tanjaka amin’ny fanatanterahana ny andraikitra”, hoy izy tamin’izao fihaonana izao.
Nanamafy ny mpitantana ny Tanàna fa ao am-pony lalina ny fanavotana an’Antananarivo ka nangataka vavaka sy tsodrano avy amin’ireo raiaman-dreny ara-panahy ny tenany. “Ilaina ny fanohanana sy fahazotoana amin’ny fanatanterahana izany iraka lehibe izany”, hoy izy. Nangatahany koa ny tolo-tanana amin’ny fiangonana ho amin’ny hanentanana ny mpino amin’ny fandraisan’andraikitra eo amin’ny fahadiovana, ny fahalalam-pomba, sy ny fifanampiana…
Nambaran’ireo filoham-piangonana kosa fa manana adidy hivavaka ho an’ny mpitondra isan’andro ny FFKM. Nampanantena izy ireo fa vonona mandrakariva raha misy ny fakan-kevitra ho amin’ny fampandrosoana miaraka ho an’ny Tanàna.
Tsiahivina fa anisan’ny voizin’ny FFKM ny tenin’ny soratra Masina 1. “Ny marina no mahafaka anareo – Jao 8,32…”. Zava-dehibe amin’ny fanavotana sy fampandrosoana ny fiarahamonina ny fahamarinana. Fototra iorenan’ny fifampitokisana sy ny fahamarinana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra izany, araka ny nambaran’izy ireo.
Synèse R.