Nanao antso avo amin’ny zanak’Ambohimanga, ny Jly Ravalomanana Richard. “Andao isika zanak’Ambohimanga Rova tsy hanaiky hatao fitaovana politika intsony…”, hoy izy. Nentaniny ny rehetra hifanome tanana amin’ny ben’ny Tanàna voafidy tao an-toerana mba hisian’ny fampandrosoana.
Efa misokatra ao amin’ny tranokalan’ny masoivoho ny fangatahana fihaonana manokana amin’ny ambasadaoro any Etazonia, Rakotomalala Lantosoa, araka ny fanambarana nandritra ny fihaonana ampitain-davitra, ny 23 janoary teo. Ity izany rohy izany : “https://us-madagascar-embassy.org/contact”.
Namotsipotsitra ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fihoara-pefy ny kandidàn’ny Tim tao Antsirabe, ny Me Ravaka, omaly, tany an-toerana. Nambarany fa efa nametraka fitoriana miaraka amin’ny porofo izy ireo. “Misy tsikombakomba anefa ny kandidà Irmar sy ny fitsarana. Nanara-dalàna hatrany isika saingy ny ratsy tsy kely lalana”, hoy izy.
Niverina nandray ny asany taorian’ny nahavoafidy azy ny ben’ny Tanànan’Alasora, Randriantsoa Jimmy. Nambarany tamin’ny fandraisany ny fahefana, omaly, fa mitohy ny asa fampandrosoana. Tanjona ny hoe “Alasora iombonana ka maha te honina”. Nitarika ny lanonana ny sefo distrikan’Avaradrano sy ny depiote, Andriamosa Avotraina.