Miha manatona tsikelikely ny morontsirak’i Madagasikara ilay faritra andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Miha mafy koa ny talio, tombanana ho betsaka ny rotsakorana ho an’ny faritra avaratra andrefana sy afovoany atsinanana (50 hatramin’ny 100mm ny rotsakorana), andrasana ao anatin’ny 24 ora.
Hanomboka ny alatsinainy izao izany ho an’ny faritra Sofia, Ambatosoa, Analanjirofo, Atsinanana ary ny distrikan’Ambaja. Mampihatra avy hatrany ny fampitandremana miloko maitso izy ireo.
Ahina ny fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavanandron’ny mponina. Heverina ny rano miandrona amin’ireo toerana mora tondraka, fiakaran’ny renirano ary fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo.
Etsy andaniny, tombanana ho mafy ny rivotra any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy afovoany atsinanana vokatr’io andro ratsy io. Tombanana hananika ny 40 hatramin’ny 60 km/ora izany manomboka eo amin’ny tanjona Bobaomby hatrany Mahanoro.
Manomboka rahampitso no haheno izany fitsokan’ny rivotra izany ny any an-toerana. Ahina ny faharendrehana an-dranomasina sy fahasarotan’ny fifamoivoizana, fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavanandro…
Tombanana hitoetra koa ny alondrano any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy afovoany atsinanan’ny Nosy. Manomboka rahampitso, hahery ny ranomasina, vinavinaina ho 3 hatramin’ny 5m ny haavon’ny onja manomboka eo amin’ny tanjona Bobaomby hatrany Mahanoro.
Tatiana A