“La nuit porte lumière”. Io ny anarana sy lohahevitry ny fampirantiana saripika, homanin’i Rijasolo any amin’ny Fondation H Paris, ny 12 febroary hatramin’ny 17 marsa izao. Vokatry ny asa sary nifantohany nandritra ny 20 taona io, nisafidianany ireo sanganasany 80 isa haranty any. Mety hoe hitarafana ny lasa ny ranty, kanefa koa manome ny fiaingana ho an’ny mpanakanto amin’ny famoronana hataony manaraka. Taonan’ny tetezamita mantsy ny 2024 ho an’i Rijasolo. Mila marihina amina fijery vaovao, araka izany, ny tohiny.
Fitambaran’asa, izay mampametra-panontaniana ny fandraisana ny hita ny fampirantiana homanin’ity mpaka sary ity. Izay nandalo teo ambany masony, nokitihin’ny fanahiny ka noraiketina ho sary dia hamoaka ilay aingampanahin’i Rijasolo, fijery natambatambatra ka nanome ny lohahevitry ny fampirantiana: “La nuit porte lumière”.
Efa nisongadina tamina fampirantiana saripika maro i Rijasolo. Efa nahazo loka maro ihany koa, toa ny “World Press Photo” tamin’ny 2022 sy ny “Prix Paritana” tamin’ny taona 2019. Tsy mpanakanto mpaka sary fotsiny, fa mpitati-baovao amin’ny alalan’ny saripika ihany koa izy. Efa noteteziny i Madagasikara, nandrafetany porofo maro ny zava-misy marina tsy hay hafenina eny rehetra eny. Ho avy any an-toerana i Rijasolo mandritra ny fanokafana ny fampirantiana ny 12 febroary, ka hitafatafa amin’ireo liana.
Zo ny Aina