INDRAY MIJERY

Mitohy ny fanofanana ireo mpisehatra amin’ny asa fitateram-bahoaka ho an’ny ATT ao Soarano. Misy ny fampahatsiahivana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, fanentanana momba ny familiana fiara ieren-doza, ady amin’ny kolikoly eny amin’ny arabe, aro loza amin’ny fifamoivoizana, fanajana bokin’andraikitra. Miisa 129 ireo miasa amin’ny zotra Ambohimangakely, Vakinan­ka­ratra, Bongolava ary zotra nasionaly no misitraka izany.

Mpiasa miisa 165 no hanadio ny lakandrano GR mirefy 6 km. Mandritra ny 6 andro no hanatanterahana izany amin’ny alalan’ny tetikasa Himo. Lakandra­no mandalo ao anatin’ny fokontany 6 ao amin’ny Boriborintany faha-4 dia i Andrefan’Ankadimba­hoaka, Anosizato Atsinanana I sy II, Anjanakinifolo, Ivolaniray, Anosibe Angarangarana.

Partager sur: