Misy ny vina lavitr’ezaka hampitomboana ny vokatra herinaratra. Hitarina, noho izany, ny tokantrano misitraka herinaratra manerana ny faritra.
Manohana ny tetikasa Lead ny Banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hampitomboana ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara. Nampahafantarina, omaly, ny fahazoana fiarabe miisa 13, haparitaka any amin’ny faritra, hiantoka ny fitaterana ny fitaovana sy ny kojakoja ilain’ny Jirama, toy ny andrin-jiro, vata manova ny tanjaky ny herinaratra (transformateur), taribin-jiro, sns.
Nambaran’ny tale jeneraly (DG) ny Jirama, Ron Weiss, omaly, fa tsy maintsy hitarina ny tambajotra famatsian-jiro eto amintsika, tsy mitsaha-mitombo ny mpanjifa. Izay no mahatonga ny tetikasa Fampiroboroboana ny fisitrahana herinaratra amin’ny vidiny mora (Lead), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena (BM). Miisa telo lehibe ny lohahevitra ao aminy. Voalohany, ny fahazoana herinaratra ho an’ny tokantrano sy ny orinasa ary ny toera-pitsaboana. Faharoa, ny famatsian-jiro ivelan’ny tambajotra efa misy. Fahatelo, ny fanohanana ara-teknika ireo mpisehatra sy rafitra misy (minisitera, Ader, Jirama, Arlec).
Miisa 200 000 ny tokantrano ho vatsiana jiro vaovao voakasiky ny tetikasa Lead. Efa fantatra ny faritra hanatanterahana izany fanitarana ny tambajotra izany. Raha raisina, ohatra ny any Toamasina, notsidihina tamin’ny herinandro lasa teo, ny toerana hanitarana ny famatsiana avy any avaratra hatrany atsimo. Hapetraka ny andrin-jiro sy ny tariby, sy ny kojakoja samihafa (transformateurs, …), ary miroso amin’ny fampidiran-jiro any an-tokatrano, orinasa, toera-pitsaboana avy eo.
Mahakasika ny delestazy eto an-dRenivohitra sy ny manodidina (tambajotra RIA), nilaza ny DG-n’ny Jirama, fa herinandro ihany no nisy orana tany amin’ny toby misy ny tohodrano mamatsy rano ny toby mamokatra herinaratra. Maina ny andro any Andekaleka, fa tsy toy ny eto Antananarivo.
Njaka Andriantefiarinesy