Karate-“Coupe de Mada enfants”: Hitiliana ny mpikatroka zandriny

Fifaninanana nasionaly hisantarana ny taom-pikatrohana 2025, ho an’ny federasion’ny Karate-do Malagasy, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy. Fifani­nanana hatao ny 1 sy 2 marsa izao, eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Ho an’ny fifaninanana ho an’ny ankizy, natao izany mba hahafahana mitily ireo atleta zandriny (U8-U10-U12-U14) sy taninketsan’ny taranja karate malagasy, lahy sy vavy, Kata sy kumite. Ho voafantina hiatrika fampivondronana hifantenana izay ho ekipam-pirenena ny mpikatroka mendrika 4 voalohany. Fifaninanana iraisam-pirenena maro no miandry ny sokajy zandriny amin’ity taona ity ka antony hanaovana ny fitiliana. Anisan’izany ny Youth League WKF sy ireo fiadiana ny amboara iraisam-pirenena maro. Mpikatroka 400 eo no andrasana amin’ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara sokajy ankizy ity. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, politikan’ny WKF (World Karaté-do federation) no ampiharin’ny federasiona malagasy, dia ny fanentanana ny mpikatroka vehivavy. Manodidina ny 150 eo ny Malagasy karatékas vehivavy andrasana amin’izany. Hisy hatramin’ny Vétérans ny sokajy hifaninanana amin’io. Hampiavaka ny fifaninanana ny fiofanana omena ny mpikatroka vehivavy, tarihan’ireo Sensei vehivavy sangany eto Ma­dagasikara. Tsara ny manamarika fa hisy ny “Coupe Interna­tionale d’Antananarivo” izay sambany hitranga eto Madagasi­kara amin’ity taona ity, hatao ny 11,12,13 jolay izao.

Mi.Raz

Partager sur: