Minisitry ny Raharaham-bahiny : “Aoka tsy hamboly korontana sy hampisara-bazana”

Naneho ny heviny sy nampita hafatra ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, omaly. Anisan’ny tena nitodihany ireo teratany malagasy milaravinahitra any ivelany.

Tsy hadinony tamin’izany koa anefa ny nanafatrafatra ireo malagasy eto an-toerana. “Tokony hiara-kientana amin’ny asa fampandrosoana isika Malagasy re­hetra, na aiza na aiza misy antsika. Aoka tsy hamboly korontana, na koa hampisara-bazana antsika samy Malaga­sy», hoy izy. Nanteriny fa masoivohon’i Ma­dagasikara ireo Malagasy am-pielezana ka tokony ho mendrika lalandava izany ary hanana ilay soatoavina maha Malagasy antsika, araka ny nambarany hatrany. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo mpaneho hevitra amin’ny tambajotran-tserasera rehetra eto an-toerana na ny any ivelany ka nanentanany ny tokony hanehoana ny firaisankina sy ny maha iray ihany. “Aoka hajaina ny fahendren-drazana… Halavirina ny fanehoan-kevitra na lahateny ho amin’ny fihantsiana na fankahalana, indrindra ireo Andrim­panjakan’ny Repoblika”, hoy ihany izy. Nanteriny fa tsy azo ekena koa ny fampirisihana ny olona hanao ny tsy mety na hihoa-pefy sy tsy hanara-dalàna. Mbola nohamafisiny hatrany fa anisan’ny andry iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ireo Malagasy any ivelany. Tsy natao ho amin’ny fa­na­korontanana, araka ny nambarany.

Fambolena korontana…

Tsiahivina fa samy efa na­neho hevitra sy nanao fanambana avokoa ny ankamaroan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao.
Samy tsy mankasitraka ary mitsipaka tanteraka ny mety ho fambolena korontana sy ny fampisaraham-bazana eto amin’ny firenena. Amin’ny maha lehiben’ny diplaomasia sy miandraikitra ireo Malagasy any ivelany kosa eto no na­naovan’ny minisitry ny Raha­ra­ham-bahiny izao fampitan-kafatra izao.

Synèse R.

Partager sur: