“Tao anatin’ny dimy taona, mahatratra 150 miliara Ar ny vola azon’ny fanjakana nampiasaina tamin’ny fampandrosoana ny firenena toy izay nampisaina fotsiny any amin’ny kolikoly, tandrevaka, fanodinkodinam-bolam-panjakana”. Io ny kabarin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNL CC) 2025-2030, teny Ivandry, omaly. Hita tao anatin’izany ny endrika rehetra nahazoana nanao fampiasama-bola nanaovana sekoly, hopitaly, lalana… Vola avy amin’ny kitapom-bolam-panjakana izany. Betsaka ny vokatra azo amin’ ny fanovana lalim-paka hitondrana ny fampandrosoana. Toy ny fidirana amin’ny haitao nomerika amin’ ny fitantanana isan-karazany: vatsim-pianaran’ny oniversite, ohatra, ny karaman’ny mpiasan’ny oniversite… Nanomboka tamin’ny 2019, tena miroso amin’ny fanovana lalina ny fitantanan-draharaha eto amin’ny firenena. Matoa irosona izany, eo ny finiavana hametraka firenena tena mandroso tokoa. “Mahafantatra ny rehetra fa ny olana saro-bahana nefa tsy maintsy iadiana ny kolikoly”, hoy izy.
Any amin’ny fanatanterahana amin’izay no tokony hatao amin’ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly, raha ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Zava-dehibe ny fialana amin’ny tsimatimanota. Satria betsaka ny manao zavatra tsy miady nefa arovana. Mikatso, ohatra, ny fanenjehana any amin’ny Fitsarana avo (HCJ), mandeha koa ny fifampiarovan’ny mpiray sehatr’asa, mpiray fiaviana, mpiray finoana… Lasa sarotra ny ady amin’ny kolikoly. Tokony fampiharana amin’izay ny lalàna hoe: iza no manao kolikoly? Mba ho anatra ho an’ny hafa.
R. Nd.