Rugby – Sevens challenger series: Makis 25 lahy miatrika fampivondronana

Avy hatrany dia vavany. Tsy miandry ela fa niditra amin’ny fampivondronana ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy, hiatrika ny “Sevens challenger series”. Fifaninanana ho an’olona fito.

Nanomboka ny alarobia lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohata­pe­naka ny fampivondronana ireo Makis 25 mirahalahy. Hanomana ny fiatrehana ny “Sevens challenger series”, ho an’ny rugby lalaovina olona 7. Isan’andro ny fanazarantena ho azy ireo. Nambaran’ny tale teknika nasionaly fa mody ireo mpilalao aorian’ny fiatrehana ny kotrana.
Mbola ao anatin’ny fifantenana rahateo ny mpanazatra sy ny ekipa teknika eo anivon’ ny Malagasy Rugby. Raha tsy misy ny fiovana, tapa-bolana mialoha ny fifaninanana vao hiditra amin’ny fampivondronana mikatona ireo mpilalao voafantina.
Tsiahivina fa hotanterahina atsy Cape Town, Afrika Atsi­mo ny fihaonana. Hizara roa ny fifanintsanana ka ny dingana voalohany hatao ny 1 sy 2 marsa ary ny 7 sy 8 marsa ny faharoa. Miisa 12 ireo firenena hiady ny lohany amin’ity. Afrika Atsimo mpampiantrano, i Kenya, Madagas­car, Ougan­da, Allemagne, Bresil, Cana­da, Chili, Georgie, Japon, Hong-Kong Chine, Portugal.
Ireo firenena 8 tsara toerana indrindra aorian’ireo dingana roa ireo no manohy ny fifaninanana, hatao any Cracovie Pologne ny 11 sy 12 avrily ho avy izao. Miatrika ny «Play-off», hatao any Los Angeles ny 3 sy 4 mey ireo ekipa 4 tafavoaka amin’io ary miatrika ny «Sevens Challenger series 2025”.
Marihina fa sambany vao hiatrika ity fifaninanana ity ny Makis de Madagascar, lehilahy. Raha ny antsapaka, miray vondrona amin’i Canada sy i Hong-Kong Chine ny Makis de Madagascar.
Manoloana izany, miandry fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana ny Makis de Madagascar satria fifaninanana goavana mitovy amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity hatrehina ity.

Tompondaka

Partager sur: