Anisan’ny tena mampalaza ny eny Ankatso, ny fisian’ny fifaninanana kartie amin’ny taranja Rugby. Araka izany, misy ny lalao izay karakarain’ny AJS na ny fikambanan’ny tanora mpanao fanatanjahantena, ny alahady ho avy izao, eny an-toerana. Araka ny fikarohana natao miisa fito ny lalao handeha eny an-kianja amin’io fotoana io.
Vita tanteraka izay ny resaka mpanazatra, andrasan’ny maro kosa ny fankatoavana ny kianja Barea Mahamasina. Araka ny efa tazana omaly, efa eo andalam-pamaranana ny asa ny tomponandraikitrin’ny Kianja Barea. Tsiahivina fa miandry ny fankatoavan’ny Caf ity kianja ity vao afaka mandray lalao iraisam-pirenena.
Rahampitso alahady 2 febroary no hiakatra an-tsehatra, ny solontena malagasy, hiatrika ny fifaninanana « Grand Slam de Paris 2025 », taranja Judo. Hifaninana eo amin’ny sokajy latsaky ny 70 kg, Rasoanaivo Laura, raha toa ka sokajy latsaky ny 81 kg kosa no misy an-dRandrianasolo Lova Mahaisoa.
Fifaninanana faharoa ho an’ny taranja Echecs, amin’ity taom-pikatrohana 2025 ity, ny lalao natokana ho an’ny orinasa. Fifaninanana hatao manomboka ny 22 marsa izao, araka ny fandaharam-potoana. Tsiahivina fa ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy “Mixte” no hisantarana ny taona 2025, izay hatao ny 11 febroary izao.